Genesis 37:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanonofy indray izy ka nolazainy tamin’ny rahalahiny. Hoy izy: Indro, nanonofy indray aho! Ary indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika amby folo, niankohoka teo anatrehako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa mbola nanonofy indray koa izy, sady nolazainy tamin’ireo rahalahiny. Hoy izy: «Nanonofy indray aho, ny masoandro amam-bolana ary ny kintana iraika ambin’ny folo niankohoka teo anatrehako.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary mbola nanonofy hafa i Jôsefa, dia notantarainy tamin’ny rahalahiny hoe: –Nanonofy indray aho, ka indro hono ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin’ny folo tonga niankohoka teo anatrehako.
Malagasy Bible 1865
Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin'ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo niankohoka teo anatrehako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanonofy indray izy ka nolazainy tamin’ny rahalahiny. Hoy izy: Indro, nanonofy indray aho! Ary indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika amby folo, niankohoka teo anatrehako.
malagasy