Genesis 38:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanaisotra ny akanjony fanaon’ny mpitondratena izy ary nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin’i Enaima izay eo amin’ny lalana mankany Timna. Satria hitan’i Tamara fa efa lehibe i Sela nefa izy tsy mbola nomen’i Joda ho vadin’i Sela ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka noesoriny ny akanjo fitondran’ny mpitondra tena teny aminy, dia nisarona voaly izy, ka nipetraka nisalobona teo am-bavahadin’i Enaîma, amin’ny lalana mankany Tamnà; satria hitany fa efa lehibe i Selà, ary izy anefa tsy mbola nomena ho vadiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nanaisotra ireo fitafiany maha mpitondratena azy ravehivavy ka nisarona fisalobonana tsy hamantarana azy, ary nandeha nipetraka teo am-bavahadin’i Henaîma, amin’ny lalana mankany Timnà. Hitan’i Tamara manko fa efa lehibe i Selà, kanefa tsy nomena ho vadiny.
Malagasy Bible 1865
Ary nanaisotra ny akanjony fanaon'ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin'i Enaima, izay eo amin'ny lalana mankany Timna; satria efa hitan'i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen'i Joda ho vadin'i Sela izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanaisotra ny akanjony fanaon’ny mpitondratena izy ary nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin’i Enaima izay eo amin’ny lalana mankany Timna. Satria hitan’i Tamara fa efa lehibe i Sela nefa izy tsy mbola nomen’i Joda ho vadin’i Sela ihany.
malagasy