Genesis 38:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana i Joda ka niteny hoe: Aoka mba handry aminao aho. Tsy fantany hoe vinantony izy. Dia hoy Ravehivavy: Inona ary no homenao ahy raha mandry amiko ianao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nivily nanitsy azy teny amin’ny lalana izy, dia nanao hoe: «Aoka mba handeha aminao aho.» Fa tsy fantany hoe vinantony io. Dia hoy ravehivavy: «Omenao inona aho, raha mandeha amiko ianao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nahafantatra azy ho vinantovaviny i Joda, ka dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana sy nanao taminy hoe: –Avelao mba handry aminao aho. Fa hoy ny navaliny azy: –Inona anefa no homenao ahy amin’izany?
Malagasy Bible 1865
Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho (fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko ianao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana i Joda ka niteny hoe: Aoka mba handry aminao aho. Tsy fantany hoe vinantony izy. Dia hoy Ravehivavy: Inona ary no homenao ahy raha mandry amiko ianao?
malagasy
Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho (fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko ianao?