Genesis 38:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy izy: Inona ary no antoka homeko anao? Dia hoy Ravehivavy: Ny fitombo-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Nomeny azy ireny dia nandry taminy izy ary nanana anaka taminy Ravehivavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy izy: «Inona no antoka homeko anao?» Dia hoy izy: «Ny peratrao sy ny kofehinao ary iny tehina an-tananao iny.» Nomeny azy izany, dia nandeha taminy izy, ka nanana anaka taminy ravehivavy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Joda hoe: –Inona àry no antoka homeko anao? Dia novaliany hoe: –Ny tombokasenao sy ny tadiny ary iny tehinao eny an-tananao iny. Dia nomen’i Joda azy tokoa ireny, ka nandeha nandry tamin’i Tamara izy; ary nitoe-jaza ravehivavy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy rave­hivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka nanan'anaka taminy ravehivavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy izy: Inona ary no antoka homeko anao? Dia hoy Ravehivavy: Ny fitombo-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Nomeny azy ireny dia nandry taminy izy ary nanana anaka taminy Ravehivavy.
malagasy