Genesis 38:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanontany ny olona teo amin’ny fonenan-dRavehivavy izy hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay teo amoron-dalana teo Enaima? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanontany ny olona tompon-tany teo izy nanao hoe: «Aiza ilay vehivavy janga nitoetra teo amoron-dalana tao Enaîma?» Fa hoy ny navalin’ny olona: «Tsy nisy vehivavy janga teto.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nanontany ny olona tao Henaîma hoe: –Aiza ilay vehivavy mpivarotena tamoron-dàlana teto iny? Ka hoy ny navalin’ireo azy: –Tsy mbola nisy vehivavy mpivarotena izany mihitsy teo.
Malagasy Bible 1865
Dia nanontany ny olona teo amin'ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dalana teo Enaima? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanontany ny olona teo amin’ny fonenan-dRavehivavy izy hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay teo amoron-dalana teo Enaima? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo.
malagasy
Dia nanontany ny olona teo amin'ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dalana teo Enaima? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo.