Genesis 38:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka tokony ho telo volana dia nisy nanambara tamin’i Joda hoe: Nijangajanga i Tamara vinantovavinao ary indro, manana anaka avy tamin’ny fijangajangana izy! Dia hoy i Joda: Avoahy izy hodorana!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sahabo ho telo volana taorian’izany, dia nisy nilaza tamin’i Jodà hoe: «Nijangajanga i Tamara vinantovavinao; ary indro fa efa nanana anaka izy tamin’ny fijangajangana nataony.» Ka hoy i Jodà: «Avoahy izy ka aoka hodorana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony afaka telo volana, dia nisy nitantara tamin’i Joda hoe: –Nivaro-tena i Tamara vinantovavinao, ka indro bevohòka izy! Dia hoy ny baikon’i Joda hoe: –Avoahy izy hodorana velona.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin'i Joda hoe: Efa nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manan'anaka tamin'ny fijangajangana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka tokony ho telo volana dia nisy nanambara tamin’i Joda hoe: Nijangajanga i Tamara vinantovavinao ary indro, manana anaka avy tamin’ny fijangajangana izy! Dia hoy i Joda: Avoahy izy hodorana!
malagasy