Genesis 38:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa naseho izy dia nandefa iraka tany amin’ny rafozany hiteny hoe: Ny lehilahy izay tompon’ireto no nananako anaka. Ary hoy koa izy: Miangavy anao aho, fantaro izay tompon’ity fitombo-kase sy ny kofehiny ary ity tehina ity!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony navoaka anefa ravehivavy, dia naniraka hilaza amin-drafozany hoe: «Izay lehilahy tompon’ireto zavatra ireto no nananako anaka. Ka zahao tsara, hoy izy, izay tompon’ity peratra sy ity kofehy ary ity tehina ity.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary raha iny mbola navoaka ny trano iny ilay ramatoa, dia nampaniraka ho any amin’ny rafozan-dahiny izy hilaza hoe: –Izay lehilahy tompon’ireto zavatra ireto no nahabevohòka ahy. Koa fantaro izay tompon’ireto fitombokase sy tady ary tehina ireto?
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin'ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon'ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay tompon'ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa naseho izy dia nandefa iraka tany amin’ny rafozany hiteny hoe: Ny lehilahy izay tompon’ireto no nananako anaka. Ary hoy koa izy: Miangavy anao aho, fantaro izay tompon’ity fitombo-kase sy ny kofehiny ary ity tehina ity!
malagasy