Genesis 38:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa teraka izy dia niseho ny tanan’ny iray; naka kofehy jaky ny mpampivelona ka nafehiny tamin’ny tanany sady hoy izy: Ity no niseho voalohany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teo am-piterahany, natrangan’ny anankiray aloha ny tanany, ka noraisin’ny mpampivelona nofeheziny tamin’ny kofehy mena, nataony hoe: ity no nivoaka voalohany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo am-piterahana, dia niseho ny sandrin’ny zaza iray ka nosamborin’ny mpampivelona sady nofatorany kofehy mena fa hoy izy hoe: –Ity zaza ity no teraka voalohany.
Malagasy Bible 1865
Ary raha niteraka izy, dia niseho ny tanan'ny anankiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka nafehiny tamin'ny tànany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa teraka izy dia niseho ny tanan’ny iray; naka kofehy jaky ny mpampivelona ka nafehiny tamin’ny tanany sady hoy izy: Ity no niseho voalohany.
malagasy
Ary raha niteraka izy, dia niseho ny tanan'ny anankiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka nafehiny tamin'ny tànany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany.