Genesis 38:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nahemony anefa ny tanany dia indro teraka ny rahalahiny. Dia hoy ny mpampivelona: Nahoana no nibosesika toy izao ianao? Dia nataony hoe: Fareza ny anarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo nahemotr’ilay zaza ny tanany, ka indro fa ny rahalahiny no nivoaka. «Akory ity fibosesehana nataonao, hoy ny mpampivelona.» Dia natao hoe Faresa ny anarany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo nahemotr’ilay zaza ny sandriny, dia indro ny rahalahiny indray no tafavoaka, ka hoy ny mpampivelona hoe: –Ahoana izao fibosesika nafitsokao izao? Dia nataon’i Joda hoe Peretsa na Fibosesika ny anarany.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nahemony anefa ny tanany dia indro teraka ny rahalahiny. Dia hoy ny mpampivelona: Nahoana no nibosesika toy izao ianao? Dia nataony hoe: Fareza ny anarany.
malagasy
Ary rehefa nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany.Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin'ny tànany; dia nataony hoe Zera no anarany.