Genesis 39:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Josefa dia noentina nidina ho any Ejipta ka i Potifara, lehilahy ejiptiana, tandapan’i Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ireo Ismaelita izay nitondra azy nidina tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nentina tany Ejipta i Josefa, ary i Potifara, Ejiptianina, tandapan’i Faraôna, lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Ismaelita, izay nitondra azy tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tafidina tany Ejipta i Jôsefa, satria ireo Jismahelita no nitondra azy tany. Lehilahy ejiptianina atao hoe Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Jismahelita.
Malagasy Bible 1865
Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Josefa dia noentina nidina ho any Ejipta ka i Potifara, lehilahy ejiptiana, tandapan’i Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ireo Ismaelita izay nitondra azy nidina tany.
malagasy
[Ny nanaovana an'i Josefa tao an-trano-maizina] Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany.