Genesis 39:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia niantso ireo olona tao an-tranony izy ka nilaza taminy hoe: Indro, nampiditra lehilahy hebreo tato amintsika izy hisangy antsika. Nanatona ahy mba handry amiko iny dia niantso tamin’ny feo mahery aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia niantso ny mpanompo tao an-tranony izy, ary niteny taminy nanao hoe: «Jereo fa nampidirany Hebrio hisangy antsika. Nidiran-dralehilahy iny teto aho, handriany amiko, ka niantsoantso mafy erỳ aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia niantso vonjy tamin’ireo mpanompony izy ka nanao hoe: –Jereo fa nentina taty amintsika iny lehilahy hebreo iny mba hanadala antsika. Nanatona ahy saika handry tamiko izy, kanjo niantsoantso mafy aho.
Malagasy Bible 1865
dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin'ny feo mahery aho;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin'ny feo mahery aho;