Genesis 39:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa ren’ny tompony ny tenin’ny vadiny izay niteny taminy hoe: Araka izany voalazako izany no nataon’ilay mpanompolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ren’ny tompon’i Josefa ny tenin’ny vadiny nanao hoe: «Izany no nataon’ny andevolahinao tamiko,» dia nirehitra ny fahatezerany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tezitra mafy ilay tompon’i Jôsefa, rehefa nandre ny fitantaràn’ny vadiny izay nataon’ny mpanompony taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa ren'ny tompony ny tenin'ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon'ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa ren’ny tompony ny tenin’ny vadiny izay niteny taminy hoe: Araka izany voalazako izany no nataon’ilay mpanompolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany.
malagasy
Ary rehefa ren'ny tompony ny tenin'ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon'ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany.