Genesis 39:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia naka an’i Josefa ny tompony ka nampiditra azy tao amin’ny tranomaizina izay fitoeran’ny mpifatotra diso tamin’ny mpanjaka. Koa nitoetra tao an-tranomaizina izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nalainy i Josefa ka nataony an-tranomaizina, amin’ny fitoerana fitanana ny olona diso tamin’ny mpanjaka. Dia tao an-tranomaizina tao izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nasain’i Pôtifara nosamborina i Jôsefa sy nasainy nohidîna tao am-ponja izay nisy ireo mpigadra meloka tamin’ny mpanjaka. Fa raha tao am-ponja i Jôsefa,
Malagasy Bible 1865
Ary ny tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia naka an’i Josefa ny tompony ka nampiditra azy tao amin’ny tranomaizina izay fitoeran’ny mpifatotra diso tamin’ny mpanjaka. Koa nitoetra tao an-tranomaizina izy.
malagasy
Ary ny tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy.