Genesis 39:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa natolotry ny mpiambina ny tranomaizina ho andraikitr’i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-tranomaizina ary izy no tomponandraikitra tamin’izay rehetra nataon’ireo tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Natolotry ny mpitandrina ny tranomaizina ho andraikitr’i Josefa ny olona rehetra tao an-tranomaizina; ary nataony tonian’izay rehetra natao tao izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia natolotr’ilay lehiben’ny fonja teo an-tanan’i Jôsefa avokoa ireo mpigadra rehetra, ka izy no mitarika ny asa rehetra nataon’ireo mpigadra.
Malagasy Bible 1865
Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr'i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa natolotry ny mpiambina ny tranomaizina ho andraikitr’i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-tranomaizina ary izy no tomponandraikitra tamin’izay rehetra nataon’ireo tao.
malagasy
Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr'i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony.Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah.