Genesis 39:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy mba nikarakara na inona na inona intsony tamin’izay teo am-pelatanany ny mpiambina ny tranomaizina, satria NY TOMPO nomba an’i Josefa, ary izay nataony dia nambinin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nokarakarain’ny mpitandrina ny tranomaizina intsony izay rehetra mby an-tanan’i Josefa fa nomban’i Iaveh izy sady nomban’i Iaveh tamin’izay rehetra nataony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ilay lehiben’ny fonja dia tsy niraharaha na inona na inona tamin’ny zavatra rehetra nankininy tamin’i Jôsefa, satria ny TOMPO nomba azy ka nanambina izay nataony.
Malagasy Bible 1865
Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy mba nikarakara na inona na inona intsony tamin’izay teo am-pelatanany ny mpiambina ny tranomaizina, satria NY TOMPO nomba an’i Josefa, ary izay nataony dia nambinin’NY TOMPO.
malagasy
Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah.