Genesis 39:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hitan’ny tompony fa nomban’NY TOMPO izy satria izay rehetra nataony dia nampahombiazin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitan’ity tompony fa nomban’i Iaveh izy, ary nambinin’i Iaveh teo an-tanany avokoa ny zavatra rehetra nataony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary hitan’ity tompony fa nombàn’ny TOMPO i Jôsefa ka nampahombiaziny avokoa izay rehetra nataony.
Malagasy Bible 1865
Ary hitan'ny tompony fa nomban'i Jehovah izy, ka izay rehetra nataony dia nambinin'i Jehovah avokoa teo aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hitan’ny tompony fa nomban’NY TOMPO izy satria izay rehetra nataony dia nampahombiazin’NY TOMPO.
malagasy
Ary hitan'ny tompony fa nomban'i Jehovah izy, ka izay rehetra nataony dia nambinin'i Jehovah avokoa teo aminy.