Genesis 39:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Josefa dia nahita fitia teo imason’ny tompony ka nanompo azy. Notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony izy ka izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nahita fitia teo imasony i Josefa, ka nampanaoviny raharaha teo aminy, natsangany ho filohan’ny tranony izy, ary nataony eo am-pelatanany ny fananany rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nahafaly fatratra ny tompony i Jôsefa ka nataony mpiasa manokana; dia nomeny hiandraiketany ny tao an-tranony sy izay nananany rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary Josefa nahita fitia teo imason'ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Josefa dia nahita fitia teo imason’ny tompony ka nanompo azy. Notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony izy ka izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny.
malagasy
Ary Josefa nahita fitia teo imason'ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny.