Genesis 39:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hatramin’izay nanendren’ny tompony azy ho mpikarakara ny tao an-tranony, mbamin’izay rehetra nananany, dia notahin’NY TOMPO ny tranon’ilay Ejiptiana noho ny amin’i Josefa; ny fitahian’NY TOMPO dia tamin’izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha vantany vao notendreny ho filohan’ny tranony amam-pananany rehetra izy, dia notahin’i Iaveh ny tranon’ity Ejiptianina noho ny amin’i Josefa, ary tonga tamin’ny fananany rehetra, na an-tsaha na an-tanàna, ny fitahian’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanomboka hatreo, noho ny amin’i Jôsefa, dia notahîn’ny TOMPO ny tao an-tranon’ilay Ejiptianina sy izay rehetra nananany. Io fitahian’ny TOMPO io dia nanenika ny fananany rehetra na an-tsaha na an-tanàna.
Malagasy Bible 1865
Ary hatramin'izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin'izay rehetra nananany dia notahin'i Jehovah ny tranon'ilay Egyptiana noho ny amin'i Josefa; ary ny fitahian'i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hatramin’izay nanendren’ny tompony azy ho mpikarakara ny tao an-tranony, mbamin’izay rehetra nananany, dia notahin’NY TOMPO ny tranon’ilay Ejiptiana noho ny amin’i Josefa; ny fitahian’NY TOMPO dia tamin’izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha.
malagasy