Genesis 39:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia navelany ho andraikitr’i Josefa izay rehetra nananany; ary satria nanana azy i Potifara dia tsy nihevitra zavatra hafa intsony afa-tsy ny sakafony ihany. Ary i Josefa dia bikana sady tsara tarehy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary napetrany teo an-tanan’i Josefa avokoa izay nananany; ka tsy niahy na inona na inona intsony izy taminy, afa-tsy ny hanin-kohaniny. Ary i Josefa dia sady bikàna no tsara tarehy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany dia navelany teo am-pelatanan’i Jôsefa avokoa ny fananany rehetra; ka tsy nihevitra na inona na inona intsony i Pôtifara, afa-tsy izay sakafo hohanin’ny tenany ihany. Tovolahy tsara tarehy sady bikàna i Jôsefa.
Malagasy Bible 1865
Dia navelany ho andraikitr'i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bikàna sady tsara tarehy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia navelany ho andraikitr’i Josefa izay rehetra nananany; ary satria nanana azy i Potifara dia tsy nihevitra zavatra hafa intsony afa-tsy ny sakafony ihany. Ary i Josefa dia bikana sady tsara tarehy.
malagasy