Genesis 39:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandà anefa izy ka niteny tamin’ny vadin’ny tompony hoe: Indro, satria manana ahy ny tompoko, dia tsy mihevitra na inona na inona ato an-trano izy, fa izay rehetra ananany dia natolony ho andraikitro avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandà izy ka nanao tamin’ny vadin’ny tompony hoe: «Indro ny tompoko fa tsy miahy na inona na inona intsony amiko, amin’ny ato an-tranony, ary ny fananany rehetra napetrany eo an-tanako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ny navalin’i Jôsefa azy: –Sanatria! Napetraky ny tompoko eo an-tanako avokoa ny fitandremana ny fananany rehetra ary matoky manana ahy izy ka tsy mikarakara na inona na inona intsony ato an-trano.
Malagasy Bible 1865
Dia nandà izy ka nanao tamin'ny vadin'ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia nandà izy ka nanao tamin'ny vadin'ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa.