Genesis 4:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, noroahinao hiala amin’ny tany fonenana aho androany, ary ho takona amiko ny tavanao ka ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ny tany aho; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro roahinao hiala amin’ity tany ity aho ankehitriny ary ho takona ny tavanao aho, lavitra Anao; ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin’ny tany aho, ary na iza na iza hahita ahy, hamono ahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro roahinao hiala eo amin’ny tany mahavokatra aho ankehitriny, ka tsy maintsy hiery lavitra Anao; ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany aho, ka izay rehetra mahita ahy dia hamono ahy ho faty!
Malagasy Bible 1865
Indro, efa noroahinao hiala amin'ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, noroahinao hiala amin’ny tany fonenana aho androany, ary ho takona amiko ny tavanao ka ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ny tany aho; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.
malagasy
Indro, efa noroahinao hiala amin'ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.