Genesis 4:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy NY TOMPO taminy: Raha izany, na iza na iza hamono an’i Kaina dia hovalina fito heny izy. Ary NY TOMPO nanisy famantarana tamin’i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Iaveh taminy: «Izao àry: Raha misy hamono an’i Kaina dia valiana faty impito heny i Kaina.» Ary nasian’i Iaveh famantarana tamin’i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay mifanena aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa namaly azy ny TOMPO hoe: –Tsia, fa na iza na iza mamono anao ho faty, dia hovaliana impito heny. Dia nametrahan’ny TOMPO famantarana teo amin’i Kaina mba tsy hisy hamono azy ho faty izay mifanena aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an'i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an'i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy NY TOMPO taminy: Raha izany, na iza na iza hamono an’i Kaina dia hovalina fito heny izy. Ary NY TOMPO nanisy famantarana tamin’i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.
malagasy
Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an'i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an'i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.