Genesis 4:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nahalala ny vadiny i Kaina dia nanana anaka Ravehivavy ka niteraka an’i Enoka. Ary nanorina tanàna i Kaina ka ny anaran’ilay tanàna dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran’ny zanany lahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Kaina nahalala ny vadiny ka nanana anaka izy, dia niteraka an’i Enôka; ary nanomboka nanorin-tanàna anankiray i Kaina ka nantsoiny hoe Enôka, araka ny anaran-janany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niraisan’i Kaina ny vadiny, dia nitoe-jaza ka niteraka an’i Henôka. Dia nanorina tanàna i Kaina, ka nampitondrainy ny anaran’i Henôka zanany lahy.
Malagasy Bible 1865
Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka an'i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran'ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran'ny zananilahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nahalala ny vadiny i Kaina dia nanana anaka Ravehivavy ka niteraka an’i Enoka. Ary nanorina tanàna i Kaina ka ny anaran’ilay tanàna dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran’ny zanany lahy.
malagasy
[Ny taranak'i Kaina, sy ny nahaterahan'i Seta] Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka an'i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran'ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran'ny zananilahy.