Genesis 4:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Lameka tamin’ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, henoy ny feoko! Ry vadin’i Lameka, tandremo ny teniko! Nahafaty lehilahy iray aho noho ny feriko ary zaza iray noho ny ratrako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Lameka tamin’ireo vadiny: «Mandrenesa ny feoko, ry Adà sy Selà; Henoy ny teniko, ry vadin’i Lameka: Nahafaty lehilahy iray aho, noho ny feriko; Ary tovolahy iray, noho ny ratrako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy i Lamèka tamin’ny vadiny: –Ry i Hadà sy i Tsilà ô, henoy aho! Ry vadin’i Lamèka, atongilano ny sofinareo amin’ny teniko: Namono nahafaty olona aho satria nokapohiny, ary namono nahafaty tovolahy aho satria noratrainy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Lameka tamin'ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin'i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Lameka tamin’ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, henoy ny feoko! Ry vadin’i Lameka, tandremo ny teniko! Nahafaty lehilahy iray aho noho ny feriko ary zaza iray noho ny ratrako.
malagasy
Ary hoy Lameka tamin'ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin'i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako.