Genesis 4:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niteny tamin’i Abela rahalahiny i Kaina hoe: Andeha isika ho any an-tsaha. Nony tany an-tsaha izy mirahalahy dia nitsangana nanatona an’i Abela rahalahiny i Kaina ka namono azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Kaina tamin’i Abela rahalahiny: «Andeha isika ho any an-tsaha.» Ary nony mby tany an-tsaha izy ireo, namely an’i Abela rahalahiny i Kaina ka nahafaty azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Kaina tamin’i Abela rahalahiny: –Andeha isika ho any an-tsaha. Nony mby tany an-tsaha izy ireo, dia niantoraka teny amin’i Abela rahalahiny i Kaina ka namono nahafaty azy.
Malagasy Bible 1865
Ary Kaina niteny tamin'i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an'i Abela rahalahiny, ka namono azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niteny tamin’i Abela rahalahiny i Kaina hoe: Andeha isika ho any an-tsaha. Nony tany an-tsaha izy mirahalahy dia nitsangana nanatona an’i Abela rahalahiny i Kaina ka namono azy.
malagasy
Ary Kaina niteny tamin'i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an'i Abela rahalahiny, ka namono azy.