Genesis 40:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teny an-tanako ny kapoakan’i Farao. Nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin’ny kapoakan’i Farao, dia natolotro teo an-tanan’i Farao ny kapoaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary teny an-tanako ny kôpin’i Faraôna, ka nalaiko ny voaloboka, nofiazako ho ao anaty kôpin’i Faraôna ny ranony, dia natolotro teo an-tanan’i Faraôna ny kôpy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teny an-tanako ny tsangambavan’ny Farao ary notazako ny voaloboka, ka nofiazako tao; dia natolotro teo an-tanan’ny Farao ilay tsangambava.
Malagasy Bible 1865
Ary teny an-tanako ny kapoakan'i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin'ny kapoakan'i Farao, dia natolotro teo an-tànan'i Farao ny Kapoaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teny an-tanako ny kapoakan’i Farao. Nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin’ny kapoakan’i Farao, dia natolotro teo an-tanan’i Farao ny kapoaka.
malagasy
Ary teny an-tanako ny kapoakan'i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin'ny kapoakan'i Farao, dia natolotro teo an-tànan'i Farao ny Kapoaka.