Genesis 40:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tamin’ny andro fahatelo, izay nitsingerenan’ny taona nahaterahany, dia nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra i Farao, ka nasandrany ny lohan’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lohan’ny lehiben’ny mpanao mofo teo amin’ny mpanompony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tamin’ny andro fahatelo, izay fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Faraôna, dia nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra i Faraôna, ka samy nasandrany tokoa ny lohan’ny lehiben’ny mpandroso divay sy ny lohan’ny lehiben’ny mpitantana mofo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony afaka telo andro, dia nitsingerina ny andro nahaterahan’ny Farao, ka nanao fanasam-be ho an’ireo mpanompony rehetra izy. Koa teo anivon’ireo mpanompony no nanehoan’ny Farao an’ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro sy ilay lehiben’ny mpanao mofo.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro fahatelo, izay niherenan'ny taona nahaterahan'i Farao, dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lohan'ny lehiben'ny mpanao mofo teo amin'ny mpanompony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tamin’ny andro fahatelo, izay nitsingerenan’ny taona nahaterahany, dia nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra i Farao, ka nasandrany ny lohan’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lohan’ny lehiben’ny mpanao mofo teo amin’ny mpanompony.
malagasy