Genesis 40:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay ary tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy i Josefa: Tsy avy amin’Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Miangavy anareo aho, lazao amiko izany nofinareo izany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy ireo: «Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny.» Ary hoy i Josefa taminy: «Moa tsy an’Andriamanitra va ny fanambaràn-javatra? Ka mba ambarao kely amiko izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Samy nanonofy izahay, nefa tsy misy olona mahalaza ny heviny. Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Andriamanitra ihany no afaka manome ny heviny, fa mba tantarao amiko aloha ny nofinareo.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin'Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna ianareo, lazao amiko izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin'Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna ianareo, lazao amiko izany.