Genesis 41:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa feno roa taona taorianan’izany dia nanonofy i Farao ka indro, hono, nitsangana teo amoron’ny Neily izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony afaka roa taona nipaka dia nanonofy i Faraôna: Indro nitsangana teo amoron’ny ony izy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony afaka roa taona teo, dia nanonofy ny Farao: Nijoro teo amoron’i Neily hono izy,
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka roa taona mipaka, dia nanonofy Farao, fa, indro, nitsangana teo amoron'i Neily izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa feno roa taona taorianan’izany dia nanonofy i Farao ka indro, hono, nitsangana teo amoron’ny Neily izy.
malagasy
[Ny nilazan'i Josefa ny nofin'i Farao, sy ny nanandratana azy ho mpanapaka any Egypta] Ary rehefa afaka roa taona mipaka, dia nanonofy Farao, fa, indro, nitsangana teo amoron'i Neily izy.