Genesis 41:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tezitra tamin’ny mpanompony i Farao ka nampiditra ahy tao an-tranomaizina tao anatin’ny tranon’ny lehiben’ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben’ny mpanao mofo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fony Faraôna tezitra tamin’ny mpanompony ka nandatsaka ahy an-tranomaizina, tao an-tranon’ny lehiben’ny mpiambina, izaho sy ilay lehiben’ny mpitantana mofo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray mandeha dia tezitra mafy tamin’ny lehiben’ny mpanao mofo sy tamiko mpanomponao ianao, ka nampanao anay an-tranomaizina tao amin’ny lehiben’ny mpiambina.
Malagasy Bible 1865
Farao dia tezitra tamin'ny mpanompony ka nanao ahy tao an-trano-maizina tao anatin'ny tranon'ny mpifehy ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben'ny mpanao mofo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tezitra tamin’ny mpanompony i Farao ka nampiditra ahy tao an-tranomaizina tao anatin’ny tranon’ny lehiben’ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben’ny mpanao mofo.
malagasy
Farao dia tezitra tamin'ny mpanompony ka nanao ahy tao an-trano-maizina tao anatin'ny tranon'ny mpifehy ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben'ny mpanao mofo.