Genesis 41:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tao aminay dia nisy zatovo hebreo iray, mpanompon’ny lehiben’ny mpiambina. Nambaranay taminy ny nofinay ka nolazainy taminay ny heviny. Samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niaraka taminay kosa, dia nisy tao zatovo Hebrio, mpanompon’ny lehiben’ny mpiambina, nitantarànay ny nofinay, ka nambarany taminay ny heviny, samy nilazany ny hevitry ny azy avy izahay,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao an-tranomaizina niaraka taminay dia nisy zatovolahy hebreo izay nanompo ny lehiben’ny fiambena-mpanjaka. Notantarainay azy ny nofinay, ka nambarany taminay avy ny heviny sy ny dikany.
Malagasy Bible 1865
Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon'ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tao aminay dia nisy zatovo hebreo iray, mpanompon’ny lehiben’ny mpiambina. Nambaranay taminy ny nofinay ka nolazainy taminay ny heviny. Samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.
malagasy
Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon'ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.