Genesis 41:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandefa iraka haka an’i Josefa i Farao ka nalaina haingana niala tao an-davaka izy. Nanaratra ny volombavany sy niova fitafiana izy ka nankany amin’i Farao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nampiantsoin’i Faraôna i Josefa, ka navoaka hiala faingana tao an-tranomaizina. Ary niharatra sy niova fitafiana izy, dia nankany amin’i Faraôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampanantsoin’ny Farao i Jôsefa, ka navoaka haingana avy tao an-tranomaizina; dia noharatana ny volom-bavany, nosoloina ny fitafiany ary nentina tany amin’ny Farao izy.
Malagasy Bible 1865
Dia naniraka Farao ka nampaka an'i Josefa, dia nalaina faingana niala tao an­davaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin'i Farao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandefa iraka haka an’i Josefa i Farao ka nalaina haingana niala tao an-davaka izy. Nanaratra ny volombavany sy niova fitafiana izy ka nankany amin’i Farao.
malagasy
Dia naniraka Farao ka nampaka an'i Josefa, dia nalaina faingana niala tao an­davaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin'i Farao.