Genesis 41:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy tao amin’ny Neily nanaraka azy, dia nijanona teo anilan’ireo ombivavy teo amoron’ny Neily koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanaraka ireo indray dia indreto omby vavy fito hafa ratsy tarehy, mahia niakatra avy ao amin’ny ony, dia nankeo anilan’iretsy omby vavy efa teo amoron’ny ony rahateo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia nisy ombivavy fito hafa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy tao amin’ny ony, ka nitsangana teo anilan’ireo matavy teo amoron-drano;
Malagasy Bible 1865
Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy teo Neily nanaraka azy, ka dia nijanona teo anilan'ireo ombivavy teo amoron'i Neily.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy tao amin’ny Neily nanaraka azy, dia nijanona teo anilan’ireo ombivavy teo amoron’ny Neily koa.
malagasy
Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy teo Neily nanaraka azy, ka dia nijanona teo anilan'ireo ombivavy teo amoron'i Neily.