Genesis 41:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin’ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin’ny anaran’i Farao, hohanina any amin’ny tanàna maro, ary aoka izy hitahiry ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka hovorin’ireo ny vokatra rehetra azony amin’ireo taona tsara ho avy; aoka hangoniny be dia be ny vary hapetraka eo am-pelatanan’i Faraôna ary hatao fitaovana amin’ny tanàna ka hotahirizina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka hangonin’ireo ny sakafo mandritra ny fito taona ho avy, ka hotahiriziny eo ambany fiahianao ny vary ho fiandry any amin’ny isan-tanàna.
Malagasy Bible 1865
Ary aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin'ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin'ny anaran'i Farao ho fihinana any amin'ny tanana maro, ka aoka hitahiry izany izy
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin’ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin’ny anaran’i Farao, hohanina any amin’ny tanàna maro, ary aoka izy hitahiry ireo.
malagasy
Ary aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin'ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin'ny anaran'i Farao ho fihinana any amin'ny tanana maro, ka aoka hitahiry izany izy