Genesis 41:43 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avy eo, nampitaingeniny tamin’ny kalesiny faharoa izy, ary niantso teo alohany ny vahoaka hoe: Abreka! Notendreny ho mpanapaka ny tany Ejipta rehetra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampitaingeniny ny kalesiny faharoa izy, ary nisy niantso teo alohany hoe: «Mandohaliha.» Toy izany no nananganana azy ho mpanapaka ny tany Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampitaingeniny teo amin’ny kalesiny faharoa izy; ary ireo mpihazakazaka nialoha azy dia niantsoantso hoe: «Mandohaleha!» Toy izany no nanomezan’ny Farao an’i Jôsefa ny fahefana tamin’i Ejipta manontolo.
Malagasy Bible 1865
dia nampitaingeniny teo anatin'ny kalesiny faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avy eo, nampitaingeniny tamin’ny kalesiny faharoa izy, ary niantso teo alohany ny vahoaka hoe: Abreka! Notendreny ho mpanapaka ny tany Ejipta rehetra izy.
malagasy
dia nampitaingeniny teo anatin'ny kalesiny faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra izy.