Genesis 41:48 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namory ny hanina rehetra tamin’izany fito taona izany teo amin’ny tany Ejipta i Josefa ka nitahiry ireo tany amin’ny tanàna rehetra. Notahiriziny tao anatin’ny tanàna ny vokatry ny saha manodidina ny isan-tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka i Josefa namory ny vokatry ny tany rehetra tamin’izany fito taona izany tany Ejipta, nanangona fitaovana tamin’ny tanàna izy, fa isan-tanàna dia samy nampidirany ny vokatry ny tany manodidina azy avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nangonin’i Jôsefa ny tahirim-bokatra rehetra tany Ejipta nandritra izany fito taona izany ka natobiny tao amin’ny renivohitry ny boriborin-tany ireo tahirim-bokatra rehetra tamin’ny saha manodidina.
Malagasy Bible 1865
Dia namory ny hanina rehetra tamin'izany fito taona izany teo amin'ny tany Egypta izy ka nitahiry izany tao amin'ny tanàna rehetra: ny vokatry ny saha manodidina ny isan-tanàna dia notehiriziny tao anatin'ny tanàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namory ny hanina rehetra tamin’izany fito taona izany teo amin’ny tany Ejipta i Josefa ka nitahiry ireo tany amin’ny tanàna rehetra. Notahiriziny tao anatin’ny tanàna ny vokatry ny saha manodidina ny isan-tanàna.
malagasy