Genesis 41:54 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa niandoha kosa ny fito taona nisy mosary, araka izay efa voalazan’i Josefa. Ary nisy mosary tany amin’ny tany rehetra; nefa nanerana ny tany Ejipta manontolo dia mbola nisy hanina ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia niandoha kosa ny fiavian’ny taona fito mosarena, araka ny voalazan’i Josefa. Ny tany rehetra dia nisy mosary, fa ny tany Ejipta kosa dia nanan-kanin-kohanina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nanomboka kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa voalazan’i Jôsefa. Nihatra tamin’ny tany rehetra ny mosary; fa nanerana an’i Ejipta kosa nisy tahirim-bokatra.
Malagasy Bible 1865
dia niandoha kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa nolazain'i Josefa; ary nisy mosary tany amin'ny tany rehetra; nefa eran'ny tany Egypta rehetra dia mbola nisy hanina ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa niandoha kosa ny fito taona nisy mosary, araka izay efa voalazan’i Josefa. Ary nisy mosary tany amin’ny tany rehetra; nefa nanerana ny tany Ejipta manontolo dia mbola nisy hanina ihany.
malagasy
dia niandoha kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa nolazain'i Josefa; ary nisy mosary tany amin'ny tany rehetra; nefa eran'ny tany Egypta rehetra dia mbola nisy hanina ihany.