Genesis 41:55 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa mosarena ny tany Ejipta manontolo dia nitaraina nangataka hanina tamin’i Farao ny olona. Dia hoy i Farao tamin’ny Ejiptiana rehetra: Mankanesa any amin’i Josefa, koa izay holazainy aminareo dia ataovy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tatỳ aoriana tratry ny mosary koa ny tany Ejipta rehetra, ka nitaraina tamin’i Faraôna ny vahoaka nitady hanina. Fa hoy i Faraôna tamin’ny Ejiptianina rehetra: «Mankanesa any amin’i Josefa, ary ataovy izay lazainy aminareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony nanomboka mosarena ny tany Ejipta manontolo, dia nitaraina sakafo tany amin’ny Farao ny vahoaka; ka hoy ny Farao tamin’ny Ejiptianina rehetra: «Mankanesa any amin’i Jôsefa, ka ataovy izay holazainy aminareo.»
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa mosarena ny tany Egypta rehetra, dia nitaraina nangataka hanina tamin'i Farao ny olona; ary hoy Farao tamin'ny Egyptiana rehetra: Mankanesa any amin'i Josefa; ary izay holazainy aminareo dia ataovy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa mosarena ny tany Ejipta manontolo dia nitaraina nangataka hanina tamin’i Farao ny olona. Dia hoy i Farao tamin’ny Ejiptiana rehetra: Mankanesa any amin’i Josefa, koa izay holazainy aminareo dia ataovy.
malagasy