Genesis 41:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony maraina dia nitebiteby izy ka nandefa iraka haka ny ombiasy rehetra tany Ejipta sy ny olon-kendriny rehetra. Nambaran’i Farao azy ireo ny nofiny, nefa tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin’i Farao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitebiteby ny fanahin’i Faraôna nony maraina ka nampiantso ny mpanoratra sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta izy. Notantarainy tamin’ireo ny nofiny; nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamin’i Faraôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony maraina dia nampiantso ny mpimasy sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta ny Farao satria feno tebiteby. Notantarainy tamin’ireo ny nofiny, kanefa tsy nisy nahalaza ny heviny.
Malagasy Bible 1865
Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran'i Farao tamin'ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin'i Farao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony maraina dia nitebiteby izy ka nandefa iraka haka ny ombiasy rehetra tany Ejipta sy ny olon-kendriny rehetra. Nambaran’i Farao azy ireo ny nofiny, nefa tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin’i Farao.
malagasy