Genesis 42:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iraho ny iray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa hafatotra ianareo mba hahazoana mamantatra ny teninareo raha marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa i Farao, dia mpitsikilo tokoa ianareo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny iray aminareo alefao haka ilay rahalahinareo, fa ianareo sisa kosa mijanòna ao an-tranomaizina; izany no hanamarinana ny teninareo raha ao aminareo ny fahamarinana. Fa raha tsy izany, dia mpisafo tokoa ianareo, raha velona koa i Faraôna.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Maniraha anankiray aminareo haka azy, fa ianareo sisa kosa dia hatao an-tranomaizina. Ho hita amin’izany ny fahamarinan’ny teninareo. Fa raha tsy izany kosa, velona ny Farao, ka manizinginzina aho fa mpitsikilo tokoa ianareo.
Malagasy Bible 1865
Iraho ny anankiray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa ianareo hafatotra, mba hofantarina ny teninareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iraho ny iray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa hafatotra ianareo mba hahazoana mamantatra ny teninareo raha marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa i Farao, dia mpitsikilo tokoa ianareo!
malagasy