Genesis 42:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha olo-marina ary ianareo dia aoka ny iray aminareo mirahalahy ireo no hafatotra ao amin’ny tranomaizina nitoeranareo; ary mandehana ianareo mitondra vary any amin’ny tranonareo noho ny mosary;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha olo-marina tokoa ianareo, aoka ny anankiray aminareo, izay rahalahinareo, hijanona mifatotra ao an-tranomaizina misy anareo, ary ianareo kosa handeha hitondra vary hanafaka hanoanana ny fianakavianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha olo-marina tokoa ianareo, dia aoka ny anankiray aminareo hijanona ao an-tranomaizina nitazonana anareo; fa ianareo sisa kosa mandehana mitondra ny vary ho any amin’ny fianakavianareo mosarena.
Malagasy Bible 1865
Raha olo-marina ary ianareo, dia aoka ny anankiray aminareo mirahalahy avy no hafatotra ao amin'ny trano-maizina nitoeranareo; ary mandehana ianareo hitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha olo-marina ary ianareo dia aoka ny iray aminareo mirahalahy ireo no hafatotra ao amin’ny tranomaizina nitoeranareo; ary mandehana ianareo mitondra vary any amin’ny tranonareo noho ny mosary;
malagasy