Genesis 42:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niresaka izy ireo hoe: Meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika, satria nahita ny fahoriany isika raha nitaraina tamintsika izy nefa tsy mba nihaino isika. Koa izany no nahatongavan’izao fahoriana izao amintsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nifampilaza izy nanao hoe: «Voakapoka tokoa isika izao, noho ny amin’ny rahalahintsika; fa nahita ny fahorian’ny fanahiny isika, tamin’ilay izy nitalaho ny famindram-pontsika, nefa tsy nihaino azy isika ka izany no nahatongavan’izao fahoriana izay manjò antsika izao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
nefa nifampiresaka hoe: –Tena meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika izay hitantsika ny fahoriam-panahiny tamin’ny fiangaviany antsika, nefa tsy mba nohenointsika; ary izao dia manody antsika izany.
Malagasy Bible 1865
Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin'ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian'ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan'izao fahoriana izao amintsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niresaka izy ireo hoe: Meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika, satria nahita ny fahoriany isika raha nitaraina tamintsika izy nefa tsy mba nihaino isika. Koa izany no nahatongavan’izao fahoriana izao amintsika.
malagasy