Genesis 42:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nihodina niala teo i Josefa ka nitomany. Avy eo, niverina nankeo indray izy ka niresaka tamin’izy ireo, dia naka an’i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nihataka niala teo amin’izy ireo izy, dia nitomany. Nony niverina nankeo amin’izy ireo izy dia niteny taminy, sy naka an’i Simeôna tamin’izy ireo ary nampamatotra azy teo imasony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nihodina niala teo anatrehany aloha i Jôsefa mba hitomany. Ary niverina teo amin’ireto rahalahiny indray i Jôsefa ka nilaza taminy fa i Simehôna no hotazoniny, sady nafatony teo imason’izy ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka an'i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nihodina niala teo i Josefa ka nitomany. Avy eo, niverina nankeo indray izy ka niresaka tamin’izy ireo, dia naka an’i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.
malagasy
Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka an'i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.