Genesis 42:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanome teny i Josefa mba hofenoina vary ny lasakany ary haverina ho ao anatin’ny lasakany avy ny volan’ny isan-dahy; nasainy nomena vatsy koa izy ireo hoentiny eny an-dalana. Nataony tamin’izy ireo izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa izany, dia nasain’i Josefa nofenoina vary ny lasàkany, sy hatao ao anaty lasàkany avy indray ny volany, ary homena vatsy izy ho azy eny an-dalana. Dia natao taminy avokoa izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia nasainy nofenoina vary ny kitapon’izy ireo, ary naverina tao an-kitapony avy koa ny volan’ny isan-dahy sady nomena vatsy hoentiny eny an-dàlana. Dia notanterahina izany.
Malagasy Bible 1865
Ary Josefa nanome teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan'ny isan-dahy ho ao anatin'ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-dalana; dia nanao izany taminy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary Josefa nanome teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan'ny isan-dahy ho ao anatin'ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-dalana; dia nanao izany taminy izy.