Genesis 42:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nosokafan’ny iray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin’izay handriany dia indro, hitany ny volany teo am-bavan’ny lasakany ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony mby teo amin’ny toerana handriany, nanokatra ny lasàkany ny anankiray tamin’izy ireo, hanomezany vilona ny ampondrany, ary hitany teo am-bava lasàkany ny volany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony mby teo amin’ny toerana handriany hariva izy ireo, dia nosokafan’ny anankiray ny kitapony mba hanomezany sakafo ho an’ny borikiny, nefa indro ny volany hitany teo am-bavan’ny kitapo.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nosokafan'ny anankiray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin'izay handriany, dia hitany ny volany; fa, indro, teo am-bavan'ny lasakany izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nosokafan’ny iray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin’izay handriany dia indro, hitany ny volany teo am-bavan’ny lasakany ihany.
malagasy
Ary raha nosokafan'ny anankiray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin'izay handriany, dia hitany ny volany; fa, indro, teo am-bavan'ny lasakany izany.