Genesis 42:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy tamin’ireo rahalahiny: Naverina ny volako ka indro, ao anatin’ny lasakako! Dia ketraka ny fony ary nifampijery tamin-tahotra izy ireo ka niresaka hoe: Inona izao ataon’Andriamanitra amintsika izao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy izy tamin’ireo rahalahiny: «Nisy namerina ny volako fa ity izy ato anaty lasàkako.» Kivy terỳ ny fon’izy ireo, ka sady nangovitra izy no nifampilaza hoe: «Fa nataon’Andriamanitra ahoana re izato isika.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niteny tamin’ireo rahalahiny izy hoe: –Naverina ny volako, fa io anaty kitapoko io! Dia nivarahontsana izy ireo sady raiki-tahotra ka nifanontany hoe: «Inona izao ataon’Andriamanitra amintsika izao?»
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy tamin'ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin'ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon'Andriamanitra amintsika izao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy tamin’ireo rahalahiny: Naverina ny volako ka indro, ao anatin’ny lasakako! Dia ketraka ny fony ary nifampijery tamin-tahotra izy ireo ka niresaka hoe: Inona izao ataon’Andriamanitra amintsika izao?
malagasy