Genesis 42:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Ralehilahy tompon-tany taminay: Izao ary no porofo hahafantarako fa olo-marina ianareo: Ny iray aminareo mirahalahy ireo dia avelao atỳ amiko, fa mitondrà vary noho ny mosary any amin’ny tranonareo dia mandehana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nefa hoy ralehilahy tompon’ny tany, taminay: ‹Izao ihany no hahafantarako fa olo-marina ianareo: avelao aty amiko ny anankiray aminareo, izay rahalahinareo: ary ento izay hanafahana hanoanana ny fianakavianareo, dia mandehana;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Saingy ilay lehilahy tompon’ny tany dia namaly anay fa te hahafantatra raha tena olo-marina tokoa izahay ka nanao hoe: «Aoka ny iray aminareo hijanona eto amiko; fa ianareo sisa kosa mandehana, ento ny vary ho any amin’ny fianakavianareo mosarena.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ralehilahy, tompon'ny tany, taminay: Izao ary no hahafantarako fa olo-marina ianareo: ny anankiray aminareo mirahalahy avy dia avelao atỳ amiko, ka mitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo, dia mandehana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Ralehilahy tompon-tany taminay: Izao ary no porofo hahafantarako fa olo-marina ianareo: Ny iray aminareo mirahalahy ireo dia avelao atỳ amiko, fa mitondrà vary noho ny mosary any amin’ny tranonareo dia mandehana.
malagasy