Genesis 42:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Jakoba rainy tamin’izy ireo: Tsy hanan-janaka intsony aho izany aminareo! I Josefa dia tsy eto intsony, i Simeona koa dia tsy eto intsony ary i Benjamina indray dia halainareo! Izaho ihany no ianjadian’izany rehetra izany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Jakôba rainy taminy: «Foananareo anaka aho, fa i Josefa tsy eto intsony, i Simeôna koa tsy eto, i Benjamina indray halainareo; ary izaho ihany no itambesaran’izany rehetra izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy i Jakôba rainy taminy: –Tianareo tsy hanan-janaka ve aho? I Jôsefa efa tsy eo, i Simehôna koa efa tsy eo, ary izao dia halainareo amiko indray i Benjamîna! Izaho no ianjadian’izany rehetra izany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin'izany rehetra izany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin'izany rehetra izany,