Genesis 42:37 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niteny tamin’ny rainy i Robena hoe: Vonoy ny zanako roa lahy raha tsy mitondra azy miverina atỳ aminao aho! Atolory eto an-tanako izy fa izaho no hitondra azy mody ho atỳ aminao indray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Robena tamin-drainy: «Vonoy ny zanako roalahy, raha tsy tafaveriko aty aminao i Benjamina fa atolory eto an-tànako izy, dia izaho no hitondra azy hody aty aminao indray.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy i Reobena tamin-drainy: –Vonoy ny zanako roa lahy raha tsy tongako eto aminao indray i Benjamîna; fa atolory ahy izy, dia izaho no hamerina azy eto aminao!
Malagasy Bible 1865
Ary Robena niteny tamin'ny rainy ka nanao hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina atỳ aminao izy; atolory eto an-tanako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho atỳ aminao indray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niteny tamin’ny rainy i Robena hoe: Vonoy ny zanako roa lahy raha tsy mitondra azy miverina atỳ aminao aho! Atolory eto an-tanako izy fa izaho no hitondra azy mody ho atỳ aminao indray.
malagasy
Ary Robena niteny tamin'ny rainy ka nanao hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina atỳ aminao izy; atolory eto an-tanako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho atỳ aminao indray.Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin'ny lalana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo ny volo fotsiko.