Genesis 42:38 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Jakoba: Tsy hidina miaraka aminareo ny zanako; efa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa; ary raha misy loza manjo azy any amin’ny lalana izay halehanareo dia hampidininareo any amin’ny fitoeran’ny maty amin’alahelo ny volofotsiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy izy: «Tsy hiara-midina aminareo ny zanako. Ny rahalahiny efa maty, izy irery no sisa. Ka raha hidiran-doza any amin’izay lalan-kalehanareo any izy, dia hampidininareo any amin’ny fonenan’ny maty amin’alahelo, ny voloko fotsy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa i Jakôba hoe: –Tsia, tsy handeha hidina miaraka aminareo ny zanako. Efa maty ny rahalahiny, ary izy irery no sisa. Raha hisy fahavoazana manjo azy eny an-dalana, dia ianareo no hahatonga ity tenako efa antitra ity ho difotr’alahelo hankany amin’ny toeran’ny maty.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin'ny lalana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo ny volo fotsiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Jakoba: Tsy hidina miaraka aminareo ny zanako; efa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa; ary raha misy loza manjo azy any amin’ny lalana izay halehanareo dia hampidininareo any amin’ny fitoeran’ny maty* amin’alahelo ny volofotsiko.
malagasy
Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin'ny lalana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo ny volo fotsiko.